Mety aminao ve? (Ilay FANAMBY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mety aminao ve ?

Fahiny zaho nitalaho aminao
Niangola, nangata-pamelana
Nahoana kay raha mba raisinao
Sa mety aminao ve za miasa saina

Iny intsika roa teny anjaridaina
Enao namikitra ahy tafahoatra
Avero aky fa mamy ny aina
Sa mety aminao ve za ho any ankoatra

Iny intsika sy enao nifampitantana
Eran'ny aloka sy moron-drano
Ay moa ny antsika kay "antsana"
Toa nampiery tao anaty rano

Mety aminao ve izao
Sa tsy ao aminao tsony lay fitia
Ndao aky haverina fa tena lao
Haravona indray ary hodory

Raha mba fantatrao ange ry tiko
Ny fiainako sisa de tantara
Tsy haiko tsony izay mba iriko
Satria nesorina tamiko lay anjara

Afaka ve ianao ry tiana
Miverena fa za manirery
Miandry anao foana na raha oviana
Sa tianao ve za hatao fangalampiery?**

(Ilay FANAMBY,mety aminao ve? Aogositra 2022)
--------
Rohy:
705 1
Mpakafy: Ilay FANAMBY
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0146