Ny anjara (NY FANAMBY Nomenjanahary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANKEHITRINY,
Ny anjara dia safidy
tondro iray tsy voadidy
Anjara samirery
amin'kalalahana tsy misy tery

Ny anjara dia tsy tantara
tsy misy iandohana,fiafarana
Fa tondro iray amin-katsarana
bika aman'endrika ao tsara

Ny anjara dia tsy lahatra
fa safidy amam-boninahitra
Tsy tendry any ambony
fa zay sitraky ny fony

Ny anjara dia maromaro
fafinaretana mandalo
Fitiavana eny andalana
heverina hoe:"anjaram-pahatanorana"

Ny anjara dia tsy anakinana
ary koa tsy fanambinana
Fa tondro ama-karoka
ho an'izay tia misarika

Ny anjara dia tsy maharitra
fa araka ny voninahitra
Ary tsy mitoetra ela
fa araka ny safidin-tena

Ny anjara dia avy ambony
nefa tsy mitoetra ela akory
Fa anjara mana-potoana
no hitanao maniloana

NY anjara dia tendry
avy amin'ireo olo-kendry
Tsy mahery fa azo lavina
araka zay tadiavina

Ny anjara dia sarotra inoana
satri araka ny vanim-potoana
Fa ny anjara tena iharana
dia ilay mandrakizay itambarana

(Ilay FANAMBY.Ny anjara Aogositra 2021)
--------
Rohy:
609 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY FANAMBY Nomenjanahary
Nampiditra : Ilay FANAMBY
Daty : 28/08/2021 08:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108