Ny antsika malala (Ilay FANAMBY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny antsika, malala a!

Fitiavana tsy misy seto, tsy mbola hatreto,
Fa efa hatrizay ary mbola ho mandrakizay.

Ny antsika, malala a!
Fitiavana tsy misy fitaka, ho maro ny mpankasitraka,
Fitiavana feno hafaliana, lavitry ny alahelo sy fahanginana.

Ny antsika, malala a!
Fitia mifametra, nefa tsy mba hanam-petra,
Fa ny aina ihany no fetra.
Fitia maharitra, voaravaky ny lahatra.

Ny antsika, malala a!
indraindray fitia mahory, nefa ao anaty fo toritory,
Fitiavana ampy,ho tazonina mandra-pahafaty.

Eny, ny antsika, malala a!
Ilay fitiavana hatrizay, hataontsika ho mandrakizay.
Averiko etoana indray fa:
Tsy mba hanam-petra izany, fa ny aina ihany no fetra

(Ilay FANAMBY,Ny antsika malala,sept 2022)
--------
Rohy:
1074 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ilay FANAMBY
Nampiditra : Ilay FANAMBY
Daty : 04/09/2022 13:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118