Ny FANAMBY (Ilay FANAMBY)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fanamby,Efa ela izaho no niandry
Alim-pahasambarana feno fananana,
Izay indrindra ilay fanamby,
Hovoizina ho valin-kasasarana.
Efa ela mantsy no nikalo,
Nanandratra sy nanambara;
Eto aloha dia mbola "tononkalo",
Fa any aoriana ho lasa "tantara".
Hanoratra aho fa maro ny miandry,
Tsy hikomy fa am-panetren-tena;
Izay indrindra ilay "fanamby",
Hanandratra avo ity firenena.
Ianao io ve mba efa nisafidy
Hanetry tena mba ho andry?
Minia re mba hanefa adidy,
Ataovy izany ho fanamby.
Raha ny fanambiko no tanteraka,
Fisaorana no ho ambetin-tenenina;
Ny fisiako tsy ho enta-mavesatra,
Fa ho rotoroto ho an'ny firenena.
(Ilay FANAMBY,Ny fanamby,1er septambre 2022
--------
Rohy:
Sokajy :
Eritreritra mandalo - Aingam-panahy
