Ny fiainana I-1 (Ilay FANAMBY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tokony ho tamin'ny 11 ora teo ho eo...

— Kalo a! Ndao aky hody! hoy i Meva, ilay namany,
Sady dodona te hahafantatra ny tantarany.

— Indry ku! hoy i Kalo namaly tamim-piangolàna, teo am-pilomanosana,
Toa tsy tsaroany akory fa mbola nitondra alahelo no sady ory.

— Ndao ary! hoy i Kalo namaly. Toa maivana aho izany ry Meva,
Sa ve nandao kely ahy ilay "sedra"?

— Kalo a! Tsara izany. Aza tohizana intsony fa fandrao mitomany,
Ndao isika hiverina fa miandry antsika ilay toerana.

— Eny aky, Meva! Mahatsiaro noana aho izany,
Fa inona no hohanina any?

— Kalo a! Aza alefa lavitra ny fisainana, fa izany no fiainana,
Ndao aloha hody, fandrao aza tsy tafam-pody.

Dia lasa izy roa vavy, nifampitantana teny an-dalana.
Ka toa nahatsiaro sambatra ihany izy ireo teo am-pandehanana.

Faly i Meva satria nahita an'i Kalo velom-panantenana indray,
Na dia tao anatin'ny fahantrana sy ny sedra aza.

"Tiko i Kalo," hoy izy anakampo.
"Izy no namako akaiky indrindra. Hatramin'ny nihaonanay tany am-piasana dia nandray, azy tamim-pitiavana aho, tsy nisalasala.

Mahaliana ahy ny toetrany. Na inona na inona eso sy fanaratsiana atrehiny,
Dia tsiky foana no setriny."

— Oadray! Nahoana ianao no toa lasa mandinika be izany? hoy i Kalo sady nihomehy,
Etsy ho finiko angamba ny ho tsiniko.

Hitohy!
( Ny fiainana I-1, Ilay Fanamby, Octobre 2022)
--------
Rohy:
910 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0208