Embona (Ilay FANAMBY)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EMBONA, Iny fitiavako anao iny, hafaliana sesilany,
Fitiavana manimoka iny no nameno ny tany
Iny tambitambiko iny,
Tontolo hafakely
Tsapanao ankehitriny
Rehefa ianao irery
Iny vetsovetso-tsika iny,
Tantara tsy navela
Mba ho tsiaron’ny fahiny,
Embona haharitra ela
Iny fitantanako anao iny,
Tantara tsy voarakitra
Fa toa lasa tsiny
Ilay soa saika sary
Iny fipetrahan-tsika iny,
Hazo tokana ho tsiaro
Nefa ahitra no naniry
Ialofan’ireo mpandalo
Iny moron-driaka iny,
Lasa rivotra mahery
Tsy toy ny fahiny
Nifoka rivotra malemy
Iny sangisangin-tsika iny,
Lasa adim-po mitoetra
Tsapanao ve ankehitriny
Fa ratra-po tsy mana-petra
Iny orokoroka mamy,
Nofinofy nandalo
Any ianao any ho any
Mamerina ny kalokalo
Veloma iny vitantsika iny,
Veloma satria lasa any
Mamangy ary ry fahiny,
Fa lahatra eto an-tany
(Ilay FANAMBY,embona,aogositra 2021)
--------
Rohy:
