Ny ventso ny ela - Ilay FANAMBY
Azo vakiana?
Tsara tsy ho lany
Ny meva koa mbola misy hatrany
Aza tsiny raha mamentso
Aza tezerina raha misatatra
Indro ny soratra vokatry ny seto
Mila vali-kafatra,
Any lavitra any ianao
Mety tsy mahatsiaro ahy akory
Mbola tsisy hafatra hatrizao
Angamba lasan'olona ny fony
Za aty mahatsiaro
Mamoha ny efa navalona
Zany akia no mampikalo
Satry tiko loatra na efa any ankarona
Ventsoventso takariva
Tsy mitovy ny maraina
Ilay masoandro efa ho diva
No anembonana ny adisaina
Raha mba teo mantsy ianao
Angamba tsy ho toy izao
Ventso lalandava
Tsy ho tampitra ary koa tsy hisava
(ventso ny ela,Ilay FANAMBY,jullet 2022)
Mombamomba
Mpanoratra : Ilay FANAMBY

Nampiditra : Ilay FANAMBY
Daty : 05/07/2022
Mpamangy : 58
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Tena tiaNy rariny,hitsiny ary marina ankehitriny(citation)
Lahatsoratra (lahatra)
Ilay tokako enty atany
Anjely
Akaiky ny fotoana
Fitiavana
Raha tena tia
DIAVOLANA,(embona)
I Bako malala