Tanàna haolo - NY FANAMBY Nomenjanahary
Azo vakiana?
Nakaiza??
Nakaiza ny olona tetsy
Toa rivotra sisa mifofo
Manaratara,
Endrey mameno ny tanana.
Nakaiza ireo ankany,
Sa ve niondrika ho tany
Taitra manko ty foko,
Fa to feom-borona sisa mitoloko
De nakaiza daholo
Mby ireo fonkon'olo
Zavo-mikoriana
No sisa aty aoriana
Nakaiza ny biby amam-borona
Ringana sa nofongorina
Feom-borona manidina no sisa
No tazana miaraka amin'ireo biby masiaka
Nakaiza re ny tanàna e?
Toa trano rava no mijoro
Tantely sisa hitako eny,
Manidina ombieombieny
(Ilay FANAMBY, tanàna haolo, 29 sept 2022)
Sokajy :
tantara, Tontolo iainana
Mombamomba
Mpanoratra : NY FANAMBY Nomenjanahary

Nampiditra : Ilay FANAMBY
Daty : 29/08/2022
Mpamangy : 175
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Fiainana1Ny fiainana 1
NY FIAINANA I
ASA RAHA MBA FATATRAO
Ny antsika malala
Ny FANAMBY
Anjoanjoko samirery
Mety aminao ve?
Tena tia
Ny rariny,hitsiny ary marina ankehitriny(citation)