You are here: home > Vetso

Tena tia - Ilay FANAMBY

Azo vakiana?

Tena tia,

-tena tia marina,
Na inona  hambipo miseho
De mbola tsy miova ny foko hatreto

-tena tia marina,
Fa na inona adiady
Ny ao asaiko de haka anao ho vady

-tena tia anao marina,
Fa na inona fampirefesana
Mbola ianao foana no imatesana

-tena tia anao marina,
Satri,na inona tantaraina
De any aminao foana za lasa saina

-tena tia anao marina,
Fa na inona tsy fifanarahana
Ny foko tsy manaiky fisarahana

-tena tia  marina,
Sasa-kalina ianao mbola tsy avy
Nefa eto foana zaho miandry

-tena tia marina,
Sasa-kalina ianao mbola tsy avy
Miandry anao foana ah hanambitamby

-tiko marina ianao,
Fa na inona makarary,mampitoloko
De any aminao foana ny foko.


(Ilay FANAMBY,tena tia, lundi 01/08/2022)