You are here: home > Vetso

… NY ANTSIKA - JJF (Jean.Jacques.Fredi)

Tara-bolana baliaka
Ny antsika
…Rehefa injay ianao sy ilay angetsanao …

Voninkazo iray sariaka
Ny antsika
…Rehefa koa ka lapanao ny anatiko ao…

Rivotra mamono paika
Ny antsika
… Rehefa injay ny sedra nahalavo anao…

Onja iray mahery vaika
Ny antsika
…Rehefa izaho no resin-tosika nandao…

Fa ny ao anatiko ao
Lazaiko anao:
“dabandranokely tsy ampy sasaka…!

Jean Jacques Fredi
06 martsa 2014

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha