RAHA TSY IANAO… (JJF (Jean.Jacques.Fredi))

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA TSY IANAO…

Eny aky raha ny amintsika efa vitako tsianjery
Izaho irery
Tsisy an-tery
Na ny hambom-poko aza d’efa lasana irery
Ka matokia
Fa ny sisa teny omeko hanambara ny fitia
Doria “Amena”!
Sanatria raha vanivany iny toky omeko anao
Fa kosa hoy aho
Ny anatiko ao
Sy izao tontolo izao raha haiko atao
Afaka ho anao
Tsotr’izao.
Tiako ianao dia tiako koa izay rehetra momba ahiko
Ao ny fanahiko
Toa tsy sahiko
Na omena olon-kafa izay hamboiko
Hoe tsy foiko.
Hoy ny foko:
“raha tsy ianao aleo tsy misy”.

JJF (Jean Jacques Fredi)
25 Aog 2014
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
495 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JJF (Jean.Jacques.Fredi)
Nampiditra : prismlinecontact
Daty : 22/08/2019 09:18
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106