...RAHA POETA IANAO - JJF (Jean.Jacques.Fredi)
Azo vakiana?
…RAHA POETA IANAO
( Atolotro ho an’ireo Poeta sakaiza rehetra)
Nandalo teo imasoko tanaty onjam-peo
Navadiko ny boky dia indro koa naneho
Fa Poeta hono ianao
Poeta ve ianao
Ka izao tontolo izao
Sy ny voary manontolo
No ho raketinao daholo ?
Poeta ve ianao
Ka iny volana iny
Iny habakabak’iny
No andaninao herim-po ?
Poeta ve ianao
Ka hamorona ny tsisy
Hambaboana izato fony ?
Sy hitaky koa ny zony ?
Poeta ve ianao
Ka ny masony efa bongo
Nosomparan’ny ankaso
No fafanao ranomaso ?
Poeta ve ianao
Ka vonona hifandramatra
Hitondra izay filamatra
Hanompo firenena ?
Dia mitodi-doha
Ho an’ilay Tsitoha
Hisim-pahaleovan-tena ?
Eny, azo atao,
Fa Poeta koa ianao
Raha indro ka manolotra
Eo am-poto-molotra
Ilay teny mankahery
Ireo sahy manao vivery
Hamonjy ny Mahantra.
JJF (Jean.Jacques.Fredi)
30 Aogositra 2012
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : JJF (Jean.Jacques.Fredi)

Nampiditra : prismlinecontact
Daty : 30/08/2019
Mpamangy : 71
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ITY HIRAKO…NY VOLA
… NY ANTSIKA
MATOKIA!
RAHA TSY IANAO…
SAFIDY NIANTEFA
NY FOKO VOAGAFY
POETA SY POETA
SARY...