MATOKIA! (JJF (Jean.Jacques.Fredi))

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MATOKIA!

Fa sitrako, tsy foiko,
Mamy tsy zaraiko,
‘Lay silaky ny foko
Mpisasaka amin’ny aiko.
Mangina, mitonia!
Tsy very izay natao.
Ny valin’ny fitia?
Atolotro ho anao…
Mba satrinao ihino:
Ny foko koa mba babo.
Izaho no hanadino?
“ambadiky ny adabo…”
Malalako, lalaiko,
Velona ato anatiko.
Mpisasaka amin’ny aiko
Mandram-pahafatiko!
Vony tsara bika
Mandrava-jaridaina,
‘Ndeha laingosantsika
Ho santatra maraina.
Maraina vaovao
Mampando ny fitia,
Izaho re, tia anao e!
Ka dia matokia!
Matokia, satria,
Ny antsika ho doria!

JJF (Jean Jacques Fredi)
08 Sept 2013
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
568 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JJF (Jean.Jacques.Fredi)
Nampiditra : prismlinecontact
Daty : 22/08/2019 09:19
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161