You are here: home > Vetso

SAFIDY NIANTEFA - JJF (Jean.Jacques.Fredi)

SAFIDY NIANTEFA

Fotoana kely monja
No nahalalako anao,
Kanefa dia nanonja
Tanaty foko tao.
Tsy hitako lazaina
Izay mahatonga izany,
Fa mby mameno saina
Ny hitia anao hatrany.

Tojo anao ny foko
‘Ry ilay olona iny,
Fitia mba mitoloko
Ka aza omenao tsiny.
Safidy niantefa
Ka tojo anao mangina,
Nilefa ka nilefa
Mba ho anao ry tiana.

Averiko eto ihany,
Safidim-po tokoa,
R’izany tiako izany
Andeha mba hiara-droa!

JJF (Jean Jacques Fredi)
2010

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha