You are here: home > Vetso

NY VOLA - JJF (Jean.Jacques.Fredi)

Azo vakiana?

Ny vola

Ota mpandrafy ny foto-pisaina
Mahaefa ny faka any anatin’ny lalina
Hery masiaka voatakalo aina
Rindrim-baventy takalon’ny marina

Sandany tokana ivon’ny ady
Manda mpiaro ny fahamboniana
Iraka feno mandrava ny fady
Mpanapaka tadin’ny fianakaviana

Ozatra mafy sy maha rangahy
Mpanjaka voalohan’izay hokasaina
Poizin’ny fiainana ara-panahy
Fonja-pitiavana mampitaraina

Salolotra tokana ifampiderana
Mandetsy ny sain’ireo tia doladola
Fiaina-mandavon’ny fahatanorana
Ireo no mba sombiny hoentin’ny VOLA

Ny sata ijoroana niova tokoa
Izany no atao hoe : « ilay fandrosoana »
Vao nisy ny tsara dia very ny soa
Ny VOLA no indro natao itompoana

JJF (Jean.Jacques.Fredi)
07-nov-2012

Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha