You are here: home > Vetso

SARY... - JJF (Jean.Jacques.Fredi)

Rehefa vitako tan-tratrako
Dia niondanako ny alina
Isan' andro zary vatrako
Ny misaina anao ... ka lalina !

Mafy loatra angaha?...Tsy haiko !
... Ny figodon' ny fitiavako ?
Fa tsy mitony izany saiko
Raha tsy voatohoky ny vavako
' Zato sarinao mianjaika
Tony sy malemy paika.

'Nefa ianao fa mbola an-tsary
Ianao d' ianao fa hafa lasy
Ka ny foko no marary
Rehefa injay voahisy tasy
' Zato sarinao mifatratra
Eo am-pototry ny lafatra

Fa io no hany mba fijery
Toa silak' aina hivelomako
Rehefa izaho ka manirery
Ho fanafody ivelomako.


JJF (Jean Jacques Fredi)
07/11/13

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha