NY FOKO VOAGAFY (JJF (Jean.Jacques.Fredi))

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa betsaka ny soa, hanananao ny tafy,
Ny foko ihany koa, mba afaka mihafy,
Misedra ny toloko izay nafafinao…
Ny onjan’ity foko, nataonao kilalao.

Fa lavitra ny dia, takatrao ny tsara,
Ny foko mbola tia, kanefa voarara;
Naleonao ho rotika, niniana ho simbaina,
Ny foko efa potika, nizaka ferinaina…!

Fa maro koa ny mendrika, azonao ny tiana,
Ny foko mora rendrika, voadona ka mangina,
Tsy mba manan-kery handà ny voasoratra,
Mangina samirery fa tsy afaka miantoraka!

Fa maro ny saranga, safidinao ny ambony;
Ny foko efa jamba ka tsy hitepo intsony,
Aleoko dia mihafy, hangina sy hivavaka
Ny foko voagafy…hitepo anaty lavaka !


Jean Jacques Fredi
2011
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Alahelo
462 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JJF (Jean.Jacques.Fredi)
Nampiditra : prismlinecontact
Daty : 22/08/2019 09:14
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112