POETA SY POETA (JJF (Jean.Jacques.Fredi))

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba sambatra ny fo sy finaritra ny saina
Mahita vodilanitra tomaratra maraina
Mahita voninkazo sariaka an-jaridaina
Mahita voromanga mamelombelon' aina
Rehefa ny Poeta no tojo izay niriany...
Rehefa ny Poeta no sendra izay mba tiany !

Rehefa ny Poeta no tojo izay tadiaviny
Rehefa ny Poeta no sendra izay ho tiaviny
Mahita tononkira mandresy ny tomany,
Mahita fanaperana sy paradisa an-tany,
Mahita tsiro miavaka mamy tena mamy,
Dia sambatra ny fo ka finaritra aok' izany !

Dia tonga indray mihira ny Poeta sy "Poeta"
Ka hamoaka feo manga mambabo ny rehetra
Anatin' ny tontolo sy voary tsara rindra
'Lay kanto diamondra sy lafatra indrindra.
Rehefa ny Poeta sy Poeta miara-miaina,
Mahita vodilanitra tomaratra maraina
Mahita voninkazo sariaka an-jaridaina
Mahita tononkira mandresy ny tomany
Mahita fanaperana sy paradisa an-tany...
Rehefa ny Poeta sy Poeta no manaiky...
Hiombona eto an-tany !

JJF (Jean Jacques Fredi)
16 Janoary 2018
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
962 1
Mpakafy: ntmsskalove
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JJF (Jean.Jacques.Fredi)
Nampiditra : prismlinecontact
Daty : 22/08/2019 09:12
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015