Vano nizaha tandindona (Johanesa Rakotovao, mpitandrina)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Aza mandika ny soan-Janahary"

Aza vinitra ami-Nanahary,
Ry sakaiza!
Na salama isika na marary :
Tsara taiza !

Velon-tsento teo amoron-drano
'Ngahy vano :
Eisy ! 'Zany tongotro sy vava
Diso lava !
Raha izaho, manko, no nifidy
Sy nandidy :
Dia naleoko zeny toa arosy
Tsy hanosy !

Kanjo dia nandalo kosa, hono,
'Reto jono !
Lalindalina fizotra sy fisosa,
Nefa kosa
Na dia lalina aza, saikinany
Ikakibe Ravano lava vany,
Ka azo ihany !

Dia nahita vano revon-dihy
Ny farihy !
Vintsy niala voly teo am-pita
No nahita,
Ka nanafatra ahy hanambara,
Fa ny vita-Nanahary : tsara !

Voambolana :
Jono : ilazan'ny Bara ireo karazan-kazandrano madinika, boribory lavalava, mena ny tendron-drambony. Ireo karazany vaventy, any amoron-tsiraka dia atao hoe : jebojebo, tofoka, zompona.
--------
Rohy:
713 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107