...FIRY ? (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lehilahy firy no lavon-torimaso ?

Nandaboka ny lohany ho an-tontolo hafa
lanaky ny asa ,
lanaka nanompo
teny rehetra teny
niriotra ombieny ombieny,
Nanaraka ny andro
nanjohy koa ny alina
nataony valananina
fa ady tsy an-kijanona
' lay misy ety an-tany.
Afeninao ry Ampitso ny any ambadika any
tsy de mazava loatra izay mety hiafaràny.
Lehilahy firy no efa niady mafy ?
kanefa indreo nibaboka fa resin-torimaso
torovana ny vatany
mavesatra ny tratrany
fa itambaran-tsento
sangian ' ny vetsovetso
sy nofinofy maro
te hioitra tsy himalo
fa mifangaroharo ny TADIAVINA sy MISY
mifangaroharo ny LANIO sy ny MITSITSY
ka valaka mihitsy
ny maso no nakipy
dia niantso torimaso ahafahany mitsoaka
na iray segondra monja
ity fiainana toa FONJA

KIRIAH
--------
Rohy:
985 0
Hevitra mandeha
hasiniony ( 19/12/2012 05:39)
tsara loatra;
tsikaritro ato ny fotompisainana antitra dia antitra ananan'ny Poeta!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106