ADALA (hono) - KIRIAH
Azo vakiana?
Henoko ny fosan ' ny MASOANDRO nitantara
Haninkeheo maraina
tamin ' ny rivotra nifofo
fa isika (hono) adala
adala tsy ampy saina ,
niray tsikombakomba tamim-bolana sy kintana
dia lasana nirifatra
nitety ny abakabaka
Tsy vizan ' hazakazaka,
nirediredy foana
nihira sy nihanjaka...
Ny zavatra tsy fantany :
Isika tsy matahotra ny harika sy hantany...
na mbola ho avy koa aza ny ditra sy ny satany
handao indray ny tany dia hanakona ny tavany
Mantsy ho'aho tsy tazany
ny anatintsika sambatra
Mirehareha manandratra fitiavana hafa loko
Madio sy tsy azon-doto !
Ka n' inona holazainy sy amoronany tsikera
Ny antsika mafy fototra ka sanatria hianjera
Henoko ny fosan ' ny MASOANDRO nitantara
Haninkeheo maraina
tamin ' ny rivotra nifofo fa isika (hono) adala
adala tsy ampy saina ,
Mailaka sy kinga nanaraby sy nitsara
Angamba te handrara
Ny lahatra sy anjara mifehy ny manana aina?
KIRIAH
Hevitra mandeha
FENOSOA2 (08/03/2013 10:08:59)
Slt?Tratrin fetiny 8mars e! Tohizo aky fa tsara a! Sd tsk malagasy ko ng mb mahay zavatra ts hambkany hafa.mztoa dhl
kiriah (30/06/2013 12:19:01)
Mombamomba
Mpanoratra : KIRIAH

Nampiditra : kiriah
Daty : 06/03/2013
Mpamangy : 1440
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Sekoly ambonyATSY ANANONA ATSY
MIOMBON' ANTSA
VOASORATRA
HISY AHY
HIRAN' ny KINTANA
SAMBON'ADY
IZAHO sa IZY ?
NGAHY LE MAIRE Ö !!!
2 MINITRA sy 31 SEGAONDRA