NOFIKO (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sombi-NOFY omaly alina
tratry ny andro,tra-maraina
no indro mampalaina hiarina
fa mameno fo sy saina

Nofy adala , sahisahy
tsy mifidy hiantsapazana
fa misitrika tsy nahy
dia mandonaka ny ngazana

Dia NOFIKO hono izaho sy ianao
nifankatia sy tena sambatra
ka indro nivangongo tao
ny fanaperana sy lafatra

feon' ankizy nitomany
no nanosika AZY hody
hay va re ka NOFY ihany
TSY AZO IANTSOANA TODY
--------
Rohy:
1373 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157