ANJOM-PITIA - KIRIAH
Azo vakiana?
Misy tia any : izay maniry ny fitiavako
Dia misy tiako koa: fa tsy natao ho anjarako
Misy iray miandry ny ho tiako tahaka anao
Misy ahy miantso ny mba hotiavinao
Misy anao mitia fa saingy tsy izaho
Misy azy tia kanefa tsy ho anao
Misy koa ilay tiany iriany tsotr'izao
Hitia azy mafy toy ilay fitiavanao
....
Misy manome fa saingy tsy hay raisina
Misy koa tolorana fa saingy tsy mandray
Misy zara-vintana miandrandra fifandraisana
Misy fo mivavaka miangavy anao ry Ray.
Misy zara-lahatra sy ariky ny fiainana
Karazan' afo be navela hivaivay
Anjon' ny fitiavana ka tsy azonao itarainana
Fa rehefa io no tapaka dia ekeo aloha hoe : IZAY
...
Fifanojoana angamba no andrasan'izy ireny
Fifandraisan-tanana mialohan' ilay : ENY!
Misy AHO, Misy IANAO, Misy IZY IREO...
KIRIAH
Hevitra mandeha
AINA77 (08/03/2014 13:29:30)
kiriah (06/05/2014 14:24:09)
Malalason (24/05/2014 06:05:36)
tsy sanatria hoe mianjona ilay fitiavana fa izay mihitsy ny natiora nanaovana azy, tsy misy tsirony izy raha vao tena mifanaraka loatra fa tahaka io voasoratr'i Kiriah io izy tena shaaara be tsy mety lany tsiro.
andry 1000 (26/03/2015 05:54:09)
misy angano arabo izay miteny hoe nalefan'andriamanitra tety antany hono ny zanany lahitokana mba hitady ilay sila-panahiny fa raha tsy hitany io tsy ho tafody any an-danitra izy... fa mino za efa hitany 'lay izy fa efa taonjato marobe no nitadiavany azy vao hitany.. tsara be le tononkalon'i KIRIAH. Mankasitraka e!
Mombamomba
Mpanoratra : KIRIAH

Nampiditra : kiriah
Daty : 04/10/2013
Mpamangy : 1584
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Sekoly ambonyATSY ANANONA ATSY
MIOMBON' ANTSA
VOASORATRA
HISY AHY
HIRAN' ny KINTANA
SAMBON'ADY
IZAHO sa IZY ?
NGAHY LE MAIRE Ö !!!
2 MINITRA sy 31 SEGAONDRA