You are here: home > Vetso

ANY AMBOHIMANGA ANY - KIRIAH

Azo vakiana?

.

Misy tsiaro zay tavela ....any Ambohimanga any,
misy vetso tsy mamela ....any Ambohimanga any,
misy sento mihelohelo ,
mihelohelo toa avelo
any Ambohimanga any

Misy tsiahy manalok ' ahy...avy any Ambohimanga any,
misy zava-mampanahy... any Ambohimanga any,
misy fahatsiarova-maro,
misy sary mifangaro
any Ambohimanga any.

Hono hoy aho ry Analamanga : ao ve i Ambohimanga ?,
Fa misy TSIAROKO TAVELA ...

Ka sao mijangajanga any.

KIRIAH

Hevitra mandeha

zkzandrykely (10/02/2013 12:03:22)

Slt an!
Toa tsinjoko hoe tsy lavitra ny marina ity resahinao eto ity an! sa diso ve ah?! Ohatran'ny tena azoko antsaina hoe "Any Ambohimanga any tokoa izy......!

kiriah (24/02/2013 15:23:53)

tsy lavitra ny marina tkou saingy ny anaran-tanàna no novaiko kely fa tsy mety ny ady rima raha le tena marina no natao teo , hihihihih

Mitantsotia (04/04/2013 09:19:41)

Tena mbola hitako ao i Ambohimanga kah, hendry tsara izy f'aza manahy