Aok izay (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
aok izay ny tomany, aok izay ny sentosento
f ireo lasanao omaly,ataovy hira ho tonga vetso.
tsy resy akory izay nitia,fa mbola hiarina hijoro,
tsy ho kivy sanatria, na ho lavo sy hikoro.

any ambadika any ho any,tsy tazànao fa mbola ho avy,
ilay hamafa ny tomany...,ilay hanolotra ny azy.
ho herinao sy tsioka vao, ho ilay malala tena izy,
lay FITIA tsotr izao,vonim-panja...Raozy-Lisy.

Ka lay fonao notoroina, natao tsy hitsangana fa resy,
rovitra sy nolotoina,...feno latsa ...esoeso,
indro fa hikalo indray,hira mamy, feno hery,
ka reo lasa hatrizay, lasa ka tsy ho voajery.

aok izay ny tomany, aok izay ny sentosento
f ireo lasanao omaly, ataovy hira ho tonga vetso
tsy DISO ianao na koa adala,nitia ilay tsy VALAHARA.
ny ampitsonao ry lala, ho feno loatra tsy omby vala


KIRIAH
--------
Rohy:
1296 0
Hevitra mandeha
katiaa ( 17/09/2010 07:42)
kayyyy :-)
pisokelinah ( 09/10/2010 07:59)
grave be ref tia e!!!!
raozigasy ( 22/04/2013 20:30)
Aoka izay ilay tomany, ilay efonefona sy sento
Aoka izay embonembona, ilay fofony manento
Aoka izay hirahira, sy tanisa ny anarany
Aoka izay ilay famerenana isan’andro ny tantarany

Efa omaly dila iny, ka aleo hivalona any
ataovy eny antsisitsisiny eny, hototofan’ny vinany
ka ho tsara levina sy levona, any ambany rangolahy
ka tsy hampiaingaainga intsony, ireo vetso sy fanahy

fa ilay fonao noratrainy, ireo fery tsy nikombona
zairo tsiky sy hafaliana, ka an-tafa hafa indray miombona
maka loko vaovao, miova vazo am-pitandrano,
ny akanga angaha moa no tsy misy, raha mamitaka ny taman-trano

dia mitsikia miràna endrika, mitrakà dia mifalia
fomban-javatra izany, eto amin’ity tany ity
izay lavo tsy mijoro, izay no tena olon-dresy
mitsangana ry sakaiza, aza kivy izany leisy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149