You are here: home > Vetso

MISY ....AOKA KELY ALOHA - KIRIAH

Azo vakiana?

Misy FITIA mijaikojaiko mila haningotra ny aiko
FITIA tsy mihaino baiko sy mandreraka ny saiko
            ka aoka kely aloha

Misy tovolahy iray tsy natokana ho ahy
zay mameno ny fanahy, lasa tiako toa tsy nahy
            ka aoka kely aloha

Fa tsy tiako raha ny foko
no mibaiko ny fisainako
nefa...
moa ve ny heri-poko
mety handray ny fitarainako ?
             aoka kely aloha

TIAKO A ! zah hoa tia anao , nefa.... aoka ihany ho toy izao......



KIRIAH

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

hery (17/08/2012 10:07:19)

Mampifilafila be zany lol

kiriah (17/08/2012 10:11:15)

tsssssyyyyy ! saro-tahotra be ! , lol!