ATAO AHOANA ? - KIRIAH
Azo vakiana?
Atao ahoana no filaza ny asan' ny fitiavana?
toy ny boi-drano eny an-tany ngazana.
Atao ahoana no fandrefy ny heriny ao ampo?
zay toa balisama manamaivana ny fo.
Atao ahoana ny hanazava sy filaza amin ny hafa?
ilay afo ao ampo manosika hitafa.
Atao ahoana no fandrara reo zay tia mafy loatra?
ka hampangina izany ...hatory tsy hitroatra.
Atao ahoana no fananatra ireo adalan' ny fitiavana?
reo zay mahafoy tena sy manadino havana.
Atao ahoana no hanasitrana ireo ferin' ny fitia?
ka reo nandràtra sy nandrava hadino ho DORIA.
Atao ahoana no fitsabo reo zay tia, jangijangy?
fa satriny aza ho torana, ho faty, sy ho dangy.
Atao ahoana ny hampionona ireo nilaozan-tiana?
feno ratram-po , tomany lava , farariàna.
Atao ahoana no hanakombona ny vava tsy hilaza?
ity FITIA mpanadala ireo LEHIBE sy ny ZAZA.
Atao ahoana no fitondra ny FITIA mba hahasambatra?
ka ho amboaran-tononkalo no hiarahana manandratra.
KIRIAH
Hevitra mandeha
pisokelinah (30/10/2010 07:48:11)
kiriah (01/11/2010 14:55:46)
Manahirana29 (05/11/2010 23:09:47)
godfrey (19/01/2011 21:55:56)
Mombamomba
Mpanoratra : KIRIAH

Nampiditra : kiriah
Daty : 19/10/2010
Mpamangy : 1410
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Sekoly ambonyATSY ANANONA ATSY
MIOMBON' ANTSA
VOASORATRA
HISY AHY
HIRAN' ny KINTANA
SAMBON'ADY
IZAHO sa IZY ?
NGAHY LE MAIRE Ö !!!
2 MINITRA sy 31 SEGAONDRA