You are here: home > Vetso

NY INDRISINAO - KIRIAH

Azo vakiana?

Sokajy : fiainana, Fitiavana

Hevitra mandeha

kiriah (08/03/2012 15:54:36)

Tsy ilay INDRISINAO no hanova ny efa nisy,
tsy ilay INDRISINAO no hamerina reo tsiky,
zay zavatr ' efa vita tsy afak ' hiverenana,
avalony fotsiny aza asiana fanenenana.

Tsy ilay indrisinao no hamerina ny lasa,
tsy ilay indrisinao no hamono sy hamafa,
ireo tantara ratsy... nandalo tanoloana,
sy reo zavatra nandratra zay nanohatohana.

Ovao ny INDRISINAO ,ovao ho zavatra hafa,
tsaboy ny ratranao dia handeha indray mitràka