FITIAVANA (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisy ireo notiavina... nefa dia nilaozana
tsiahy sendra mielina tsy azoko avaozina
nisy ireo nitia... nefa nadinoina
tsiaro maty tsimoka tsy azoko koloina

Nisy ireo nandratra... ny fo izay nitia
fery tsy hay akombona tadidiko ho doria
nisy mahasambatra raha toa ka tsaroana
toa zary mbola tazako mijoro eo anoloana

Misy any ho any ,tsy mety manadino
misy any ho any ,tsy mety mahafoy
misy any ho any, tandidon ny fahiny
misy any ho any,tantara mety hitohy

Misy any ho any , tsy mahatsiaro intsony
misy any ho any, tena leo tanteraka
misy any ho any, voafatotra ny fony
misy any ho any,zatra hetraketraka

Izany rehetr izany raha atao bango tokana
ka ho asian-teny,ho resahina manokana
aoka ho lazaina hoe : zany no FITIAVANA
tsy voatery koa fa mety ho HEVI-DRAVONA
LOL !!!!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3243 2
Hevitra mandeha
raozigasy ( 08/08/2011 22:46)
misy any ho any, fitiavana voarara
misy any ho any, fitia te ho tantara
misy any ho any, fitiavana tsy anjara
misy any ho any, fitia tsy voambara

misy any ho any, fitiavana voaratra
misy any ho any, fitia mandoaka tratra
misy any ho any, fitiavana mandrotika
misy any ho any, fitia potipotika

misy any ho any, fitiavana mijaly
misy any ho any, fitia tsy mety faly
misy any ho any, fitiavana ferena
misy any ho any, fitia mahonena

misy any ho any, fitiavana mibitaka
misy any ho any, fitia tsy mahalala fitaka
misy any ho any, fitiavana maharitra
misy any ho any, fitia raitra sy finaritra

fa na fitiavana voarara,
na fitiavana voaratra
na fitiavana tsy anjara
na fitia mandroaka tratra

na fitiavana mijaly,
na fitiavana mibitaka
na fitia tsy mety faly
na fitia tsy voafitaka

dia fitiavana daholo izany
na mangidy io na mamy
araho amin'ny onjany ihany
fa izay ny fiainana eto an-tany

SIOKATOKANA ( 09/08/2011 06:15)
Fa any ho any kosa misy fitia
Malemy sady osa miandrandra ho doria
Manantena fifaliana tsy mihevitra ny hijaly
Ka tia sy te ho tiana,hampanjaka ny voangaly

Fa any ho any kosa misy fitia te hitraotra
Kanefa voasakana tsy afaka mivaoka
Ka manganohano mila handrotsaka tomany
Hany fara hery, nanjohy mangina hatrany
Ilay lalana voatokana sy iainana eto an-tany
Zozoro ( 09/08/2011 09:06)
Any ho any kosa misy fo miangaly
manainga hira kanto fanefitry ny jaly
Ny naoty ampisainy dia avo dia avo
Ka indro namparenina ireo mpisonta sy mpandavo.
kiriah ( 09/08/2011 11:05)
fa de tena ny hitomaniako mintsy ve no tadiavinareo e !
ZAVOTANY09 ( 09/08/2011 13:28)
fitiavan'io indraindray lakalaka,
fangalam-pery toy ny voalavo sy ny saka
ny fitiavana tolorana amin'ny fo madio
no mankarary sy mampirotsaka lio.

fa raha voarara mantsy izy,
sarobidy tena lafo, tsy takatra devizy
maningotra ny aina, mampitomany
mahavery saina, mampiakatra vinany.

fa efa misy any ho any
miandry fotsiny 'lay malalany
fa midadasika ny kianjan'ny fitia
ka na miantso aza, tsisy maheno ilay avia

fa na ilay tia, nosakanana voarara
na ilay mba notiavina, tsy nanaiky hanambara
fa tsara ny mitia, raha tojo ny lalaina
paradisa ny fitiavana, tsy voavidim-pofon'aina.
kiriah ( 04/03/2012 09:44)
misy any ho any, fitiavana miandry
misy any ho any , fitiavana ho azy
misy any ho any , fitiavana ho tonga
misy any ho any , fitia diamondra

misy any ho any , lay fitia zay nandrasana
tena sarobidy , tsy matahotra ny FASANA
misy any ho any , fitia miandry tsiky
hamafa ranomaso , hamafa ireo indrisy
spicatantely ( 04/03/2012 17:03)
Babo a e! ! !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112