HAFATRA - KIRIAH
Azo vakiana?
...Tsaroany tsara aky
FA nisy koa fotoana nikotrehany fitia
tanaty fony tao
tsy reraka nanjohy sy nanara-maso anao
niari-tory impiry ilay fitiavany iny ?
naniry sy nikiry ny hianoko ny ampoka
kanefa tampotampoka
nisy iray nandalo nipaoka tsy nimalo
'lay nokoloiny ho anao
ka aoka angaha ny fony tsy horatrainao 'tsony
fa izy hono efa sambatra sy tena tafasandratra
an-tontolo tonga lafatra
Ary ity koa misy hafatra :
" teo anilanao anie aho ra-sipa no natositosikao a ...." mdr !
KIRIAH
Hevitra mandeha
dano (04/03/2013 05:51:51)
Mombamomba
Mpanoratra : KIRIAH

Nampiditra : kiriah
Daty : 24/02/2013
Mpamangy : 1146
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Sekoly ambonyATSY ANANONA ATSY
MIOMBON' ANTSA
VOASORATRA
HISY AHY
HIRAN' ny KINTANA
SAMBON'ADY
IZAHO sa IZY ?
NGAHY LE MAIRE Ö !!!
2 MINITRA sy 31 SEGAONDRA