You are here: home > Vetso

HO AN' NY RENY REHETRA - KIRIAH

Azo vakiana?

Misy fofon-kasambarana
manentohento reko
mandrakotra 'lay reniko
rehefa iny aho midongy
mitaky ny tsy misy
mitady voa tsy hary
toa zaza " tsy manjary ".
tsy sanatria ditrako
irony kitakitako
fa mamiko eny manko
'lay reniko mikenona
mitaba sy mimenona
mitrerona am-pitiavana
dia mody mba masiaka
milaza tsy mahavita
kanefa nony injay ka Laroako pitrapitra ,...
'LAY FITIAVANY TSY RITRA

dia io manambitamby
mamoron-tsangisangy.

Neny ô ! zah mou zaza-hendrinao ô ?

KIRIAH

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

Nivoary (03/04/2013 07:51:34)

Tsara loatra mihitsy, atolotra an ilay neniko zay kou!

kiriah (06/04/2013 20:08:13)

Miara-manolotra ho azy ! , misaotra e!