You are here: home > Vetso

INY TONONKALOKO INY - KIRIAH

Azo vakiana?

Tao anaty tononkalo , tao no notantaraiko
ny fiainako ny anao , sy ny takatry ny saiko
nilazàko zava-nisy , nofinofy ihany koa
ka nataoko rimarima , ny INDRISY sy ny SOA

Ao anaty tononkalo , no atosako ny tsiahy
ny omaly sy ny anio ary koa  ilay raha hatrizay
tao anaty tononkalo , nitalahoako fitiavana
tsy nafeniko mpandalo , fa nahanjako mpitazana

Tao anaty tononkalo , tao koa ny fiainanao
ka ialàko tsiny indrindra, raha toa tsy sitrakao
omeko tsiny ve ny AINGA, sa ny VENTSO sy ny PENINA
mba nandramako raràna , fa nanao be marenina

Tao anaty tononkalo , zay namela ahy HITENY
no narosoko mangina, ireny rehetraretra ireny
tao anaty tononkalo , tao aho no mba heno
ao anaty tononkalo, ao ny FIAINAKO NO FENO

Hevitra mandeha

Miarantsoa (10/03/2012 10:35:14)

Tsara

missylvie (29/03/2012 09:10:39)

... Tao anaty tononkalo tao no nametrahako, ilay diampeniko ho anao...

tsouaiina (24/04/2016 17:25:42)

tena ny fiainampitiavako mits no volazanjii tei!!!! mankasitrak 000