IZA IANAO ? (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Moa azoko fantarina ny mombamomba anao ?,
fa toa rano lalina manonja anatiko ao
ilay faniriana... ahalala antsipiriany
zany fiainanao...reo KANTO sy TABIHANY.

Taiza ianao no teraka , ry andrin ' ny ampitso ?,
aiza ianao mipetraka raha toa tsy mahadiso ?,
reo fomba mahazatra iainanao isanandro :
mahafoha maraina ?.. sa mpatory atoandro ?

Ianao ve efa miasa,sa mbola any an-tsekoly ?,
lazao ahy koa zay mety ho fialamboly ,
raha toa ka manam-bady :firy zao ny ankizy ?,
fa raha mpitovo kosa : iza kay lay ho izy ?.

Ireo toetratoetranao , tantarao hoe ,
fa tena mahaliana , tiako mba ho re.
rehefa ianao ka tezitra : moa miteny ratsy ?,
rehefa faly kosa : moa homehy mafy ?.

Oadray ! saika hadinoko ilay lehibe indrindra
nanosik ' ahy hanoratra ary koa handrindra ,
alohan ' ny hanginako raha toa ka azo atao :
iza kay lay anarana natao hiantsoana anao ?


KIRIAH
--------
Rohy:
2393 0
Hevitra mandeha
harylovah ( 16/02/2012 20:15)
KIRIAH! Tsy hamaly eo @ toeran'ilay tadidiavinao aho akory fa manombatombana ny mety ho valiny kosa, ary mety ho diso izany tombatombako izany , ka miala tsiny.. Za koa mba te hahalala ny momba azy..Satria matoa ianao mitady azy de angamba misy ny sarobidy ao aminy na ianao no te hanolotra zava-tsarobidy aminy na te hahafantatra fotsiny?..Na ahoana na ahoana dia manana ny maha sarobidy azy ny olona tsirairay...Iza ianao?

IZY VE?

Ako iray nandalo 'zay tsy fanta-pihaviana
Miventso ny alahelo sy mikalo fifaliana
Manantena foana ny volana hitranga
Na nosembanin-drahona_aza ny lanitra efa manga

IZY VE?

Mikolo voninkazo mena loko sady tiany
Sangian'ny lolo roa mampitombo ny hafaliany
Eny an-jaridainan'ny Fitiavana madio
Raha sitrakao ho fantatra? Ndehana ivilio...

IZY VE?

Tsy fantatrao ny aminy fa aloka mandalo
Maniry hamelombelon' izay sendra ka mimalo
Mamenofeno pejy noho ny aingan'ny fanahy
An-dranomainty izy iny no mivonona sy sahy

IZY VE?

Tsy volamena akory, ka mila hotrandrahina
Fa nofo mora lo, eny an-dalana hiarahana
Ny aminy mandalo tsy ho fantatrao satria:
"Ny mizara tsy an-kiseho no lazaina tena tia"

...

IZY VE?... Tsy fantatro izy raha ny marina...
Vinavina ihany ny ahy (Eritreritra angalarina)
Mifona aminy aho fa diso..Loko tiako mba hananana
Soa ianao fa nampatsiahy 'lay vetsom-po tsy hay sakanana...

Harylovah [160212]
Raha mba izaho moa no nanontanianao? Misy sombiny kely ao @
facebook.com/harylovah tononkalo
harylovah@gmail.com

Mazotoa ianao dia mankasitraka @ fankasitrahana e!Mino aho fa ho hitanao ihany izy indray
andro any; Ary dia mba ilazao ny vaovao any raha tonga izay ora izay...
hasiniony ( 01/03/2012 10:27)
...
Iza marina ary INY? Moa mba fantatrao ny valiny?
Mampandainga ny hamaly raha sodokan’ny filantony
Satria ny ampahaarivony ihany no ambarany fa aliny
Fa ny miafin’ny fiafenany: saronany any anaty kantony!
kiriah ( 06/03/2012 20:24)
Tiko fotsiny ho fantarina
fa tsy sahiko ho hita nofo ,
ndrao lay NOFI-pahasambarana
hiova laka sy ho voaloto.

Ampy ahy ny ambangovangony ,
aoka ihany ho tazaniko .
Ireo misitery tsy arantiny
no aoka hiara-dalana amiko.
minomafy ( 07/03/2012 06:14)
mahafinaritra eeeeee
Laaris ( 07/07/2012 16:58)
zay makanareo fona e!ts iza kor iz fa lay nantaninao e!
kiriah ( 12/08/2012 19:29)
zany an !

Laaris ( 13/08/2012 06:29)
Zay oa!efa fantatrao v l momba anaz?

kiriah ( 04/09/2012 20:37)
dia tena mbola tsy fantrou mints ry se a! , hatramin izao , lol!!!!!
Mitantsotia ( 31/03/2013 14:13)
Kiriah, Mahafinaritra ny asa-soratrao

Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147