koto fetsy sy i mahakà (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fetsifetsy izany KOTO,
ratsy toetra jiolahim-boto.
Bibilava miolankolana,
milaza " antsanga tsy aman' orana ".
Maka mora tsy miera,
fanta-daza h@ ela.
Feno fitaka ny vavany,
ratsy loatra zato asany.

I MAHAKà nanampy isa
kely toa " mapandry adrisa ".
manta vava toa matsatso,
tontakely sa malaso ?.
Fa mandroba ny mahantra,
mihira mafy toa mihantsa ,
mahay mandrindra teny fatratra ,
hay dahalo sy mpangalatra.

tafahaona teny an-tsaha
nifanao fotoana angaha ?
fetsy ialahy f izaho maranitra ,
hoy KOTO toa nangarika,
any an-kafa ialahy mirehaka
fa tsy ilaiko mibehaka,
ndrao ataoko indray mitoto
raha apariko eo ny foko.

zaho lehity no MAHAKA,
izaho no tompon ' eny an-tsaha,
ny an-tanàna koa dia ahy,
ka aza eo no sahisahy,
sao ataoko indray mandrapaka,
ho very vady ,very zanaka,
mbay hizorako mialà,
ndrao ho dangy eo ialà.

nisaraka nalonilony,
toa nisaina tany ampony,
ireto olona maloto,
ratsy tava jokojoko,
samy menatra ihany koa ,
samy sina samy voa,
saingy hanao ahoana moa,
hazo maty ratsy voa.




KIRIAH
--------
Rohy:
Sokajy : rindra - Hatsikana - vazivazy - tantara
4304 0
Hevitra mandeha
papoosy ( 07/01/2011 01:41)
mapme tena tsara e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148