MIANTSO (KIRIAH )

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
...
Ka rehef' injay henoko
Lay feoanao zay mampientana
Sy toa vesaran'embona
Anatin'ny finday
Dia aoka angaha tsy ho afeniko
Ary koa averimberiko
Fa io mamoha indray
Ny fiainantsika omaly
Tsy mbola lasan-davitra
Tsy asiana ady varotra
Fa mbola anatiko ao
IANAO sy ilay ISIKA
Tsy mety mangatsiaka.

Ianao mipitrapitra
Mamerina tantara
Dia ampy hanambara
Fa mbola tsy mahasaraka
Maniry antsika hitambatra

Miantso antsika hisambatra
...

KIRIAH
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/kiriah/miantso
Sokajy : Fitiavana
1321 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : KIRIAH
Nampiditra : kiriah
Daty : 21/09/2013 14:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.1711