You are here: home > Vetso

MIKAROKA NY LAFATRA - KIRIAH

Azo vakiana?

...Nanjohy ombieny ombieny
ny lafatra kendreny
hanentsina ny trobaka
navelan ' ireo lasa
hiely sy hitobaka
hanjary vazo hafa
"  hoenti-manamamy
ny tsiro-nofinofy  "
dia any anatiny any
miangola, mifanosy
amin'embona mitroatra
kanto tahiriziny
fa sarobidy loatra,
vetso nankafiziny...

Ho tonga filo koa
hanambatra ny rovitry
ny omaly sy taloha
hamitrana ny hovitry
ny androany vao mamony
dia jenjina ny fony
fa midina sy miakatra
ny tahan-golingoly
kanefa ange tsy sasatra
mitady sy mamboly
ainga tonga lafatra
misarika ny ainy
hiaraka hihira
amin-javatra tsy hainy
sahala fa tsy mira

Ny lasa no atamberin'
ny satan ' eritreriny ,
rakofan ' ny tsipeliny
ny henatry ny teniny
" hiseho " io ,  na " hafeniny "

KIRIAH