You are here: home > Vetso

MITIA - KIRIAH

Azo vakiana?

Very fahafàhana
Tamàna fanjanahana
'lay foko ry malala
voageja tsy afa-miala
voafatotra ka tsy afaka
fa tena tafa-latsaka
am-ponjan' ny fitiavana,
lavi-tanindrazana ,
Kanefa tsy ory mihitsy
voa mainka velon-tsiky
fa sitrany dia sitrany
hataonao sesi-tany
Ho tokana no hitany
... anaty fonao any !

Voaheloka HITIA
angamba ho doria
sy mandram-pahafatiny
izay no sazy efainy
nefa mahagaga
fa sitraky ny ainy
Ka dia tsy taitra akory
Fa afa-tsorisory
Tsy mihevi-pahafàhana
'ty foko gadra lava
Mitia an-kalalàhana
Na dia giazana aza
Tamàna dia tamàna
Tsy mihevi-panovàna !

KIRIAH

Hevitra mandeha

keta-boloky (08/01/2013 11:17:41)

Mlay b le tonon-kalo !

kiriah (15/01/2013 11:15:10)

misaotra e !

dano (04/03/2013 05:53:41)

adala b le izy zany ka aingapanahy

kiriah (30/06/2013 12:20:04)

misaotra