TIAKO HO FANTATRAO (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tiako ho fantatrao daholo zay ao ampoko sy nafenina,
ho zaraiko manotolo, ho zaraiko tsisy nenina,
tiako ho fantatrao daholo ka tsy misy ho tehiriziko,
ho zaraiko manotolo ...ireo izay tiako sy ankafiziko.

tiako ho fantatrao daholo, zay tantara tany aloha,
ho zaraiko manotolo , na dia ireo zay nahavoa,
tiako ho fantatrao daholo zay kasaiko ho an ny hoavy,
ho zaraiko manotolo, fa tsy hoe ronono an-tavy.

tiako ho fantatrao daholo zay manonja ato anatiko,
ho zaraiko manotolo , eny mandrapaha-fatiko,
tiako ho fantrao daholo... satria ianao io dia namako,
ho zaraiko manotolo izay mety ho tantarako.
KIRIAH
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
1731 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153