NANDALO (KIRIAH )
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tao anaty tononkirasendra henoko anikeo
nisy tsiaro nitanila
nisy angola te hiseho
nampatsiahy irony lasa
sombin ' ako toa avelo
tononkira hafahafa
manempotra , mamenofeno
Sary maro nifanosy
tantara tsy hefa tanisaina
toy ny feon-dakolosy
mibosesika ao an-tsaina
mitanisa ny endrikao
sy reo zavatra fahiny
reo sangy kely zay fanao
tamin ' iny lalana iny
Tononkira mankarary
tononkira mampatsiahy
tononkira feno sary
zay lay HIRA fahizay
KIRIAH
--------
Rohy:
Mpakafy:
lolash