NY DADAN' IALAHY ISANY (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ialahy marina leitsy ry akama
no niady nitolona ho an' ny tanàna
nanao ny ainy ho sorona , niaritra ,niafy
nisotro mihitsy ny aleoko maty...
Tsy ialahy marina leitsy ry zama
no nanatri-maso ireo ady mafàna
sy ireo rà nandriakin ' ny maritiora ...
nangotrak' ireny fa tsy zava-mora .

Angamba ny marina leitsy ry bandy
azoko inoana mihitsy tsy sangy
f' ireo tsolotsolotra kely sy tamby
nenti-nandavo an' ngah Andriamampandry :

Ny dadan' *lisany no nandray azy.

KIRIAH
* Ialahy isany

(Mitsangàna ry tanora , mijoroa ho lehilahy ... )
--------
Rohy:
1385 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0295