OMEKO ANAO (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia iny ilay fitiavako
nataoko an-kilabao
tsy nohenoiko akory
raha sendra nitalaho
nogiaziko izy hangina na tiana na tsy tiana
voasakan-tsy ho variana ,
nataoko fehirano
tanaty taona maro
nataoko gadra-lava
noferan-tsy hikotaba
fa dia voatampim-bava, ...

Dia iny fa navotsotro
ho afaka fatorana
lay izy saika torana
lay izy saika maty
navelako hiantoraka
navelako hiantsampy
ho eny an-tratranao
RAISO DIA ANJAKAO !
fafao ny ranomasony
diovy re ny lasany
trotroy mba hanadino
ny ngidy omaliny iny
babeo hatory tsara
tantano hanjohy tsy hiala
Tsy te hitoetr ' irery
Ooo! ry lay malalako
arovy tsy ho very
fa foiko ho anao mihitsy
foiko manotolo
tsy misy hotahiriziko
satria ianao SAFIDIKO.

KIRIAH
--------
Rohy:
Sokajy : ahy - Fitiavana
1464 0
Hevitra mandeha
Tsiroa ( 01/11/2012 23:28)
ao tsara, ary enao dia mampisento olona mihintsy
kiriah ( 02/11/2012 09:55)
aiza kou zay mampisento eo ry Tsiroa a! , hahaha! , misaotra mankasitrak e!
Tsiroa ( 03/11/2012 01:45)
F'ita koa,za efa somary nanidina kely mihintsy
Miolapandry ( 05/11/2012 17:16)
Lafatra le ainga e :)
Bangotokana ( 07/11/2012 13:05)
Sody de tara laotra e!
kiriah ( 08/01/2013 23:10)
Miolapandry : sôtra e !
Bangotokana : zan ve ? siora sérité amin zan ve alou enao ?
Djaw ( 09/01/2013 09:33)
Tsara be kosa zany ainga zany !
kiriah ( 24/02/2013 15:40)
:-)
ronsard ( 25/02/2013 06:14)
kanto sy matotra ny filazan-kevitra! mitozoa hatrany!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152