You are here: home > Vetso

RAHA HAINAO - KIRIAH

Azo vakiana?

      Raha hainao ny mamerina:
- Lay fitiavana natolotro
- Sy teny mamy avy Amy molotro

       Raha hainao ny maka lesona
- Tamin'ny lasa zay nafafiko
Dia ilay fitia tao anatiko

        Raha hainao ny maka tahaka
- Lay fikirizako sy adiko
Fony ianao ilay notiaviko  ...

Dia azoko antoka malalako
Ary tsoriko sy ambarako
F'ilay ho tonga ao afarako
Tsy hanana ahiahy akory

Na votononao ny anarako

KIRIAH

Hevitra mandeha

Mirasoua (21/07/2014 16:13:03)

hihi..! zany mitsy

Hametraka hevitra

Midira aloha