REHEFA (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa irery aho malahelo sy mandrotsa-dranomaso,
resin 'ireo setrasetra , fahoriana , sy ny ankaso,
dia roasinao daholo ny alaheloko sy nenina
isaorako manokana ianao re ry PENINA.

Rehefa faly aho mitanisa ny hasambarako rehetra,
zato fikorisanao mamy loatra tsisy fetra,
voatantaranao daholo ny madinika indrindra,
o ry PENINA malala o! tiko ianao mahay mandrindra.

Rehefa tia aho ka variana mitanisa ny fitiavako,
manim-bolo harivariva ilay tiko zay tsy tazako,
tonga ianao miventso izany ao anaty taratasy,
ianao ry PENINA no namako, ho doria sy mandra-maty.

Rehefa ho avy zay fotoana ialàko ety antany,
hamoizako ny havako ho any ankafa,ambadika any,
tantarao re ry PENINA izay zava-bitatsika,
tsahivo foana isanandro f'aza avela hangatsika .

KIRIAH
--------
Rohy:
1722 0
Hevitra mandeha
pisokelinah ( 06/10/2010 13:03)
ntsô!!mlay ery le haingam_panahy e!!!!misarina olona ve le penina eto?sambatra zany le penina afaka miaradalana aminao foana!!!!!
katiaa ( 06/10/2010 20:24)
SORATRO nosoratana t@ penina :-)

Ianao irery ihany no azoko hilazana
'Lay jaly ato anatiko mikiky ahy mangina
Ny ranomaso ritra, ny kiaka 'zay tsy tana
Ny fo mangahiahy, ny fiainana 'zay sina

Ianao irery ihany no tsy mba mandatsa
Tsy mamela irery amin'ny fotoana mangidy
Tsy manesoeso sy tsy mamadi-drasa
Fa manolotolo-hevitra tsy ho voavidy

Ny am-po tsy miloaka ianao no hilazako
Ny any antsaiko any ianao no mahalala
Ny ratra po rehetra ianao no hitantarako
Ianao rery ihany no tsy mba mankahala

Rehefa iny aho resy misy mahavoa
Ianao no hitodihako ianao no havako
Ny filazako aminao ny fanambarako koa
Dia milaza amiko fa ianao no mba namako
pisokelinah ( 11/10/2010 13:54)
kay kay kay!!!!miainga mints iz zany a!!!!!
kiriah ( 17/11/2010 18:02)
hita kou !, katiaa kay mafin-talenta an !, zao le izy vao hitako, hihihihi
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144