You are here: home > Vetso

RIRININA - KIRIAH

Azo vakiana?

Ririnina mamirifiry , tsisy sombin-kafanàna,
henoko mangirifiry zany ventsoko mazàna,
fa ianao lay fitosiako... any lavitra tsy hita,
ka reo jalim-paniriako , eny fona toa tsy ho ritra.

Nihitsan-dravina ny hazo,sina koa ny tontolo,
ka na lay vorona mpivazo , niova sata niova volo,
zay rehetra nojineriko, toa maneso ny fitiavako,
tsy hay akombona ty feriko,lavitra any lay malalako.

Ririnina manorotoro , ririnina tsy manana hantra,
fa mandrava  sy hampikoro , ilay foko te hianta,
ririnina maloto loatra , ririnina mpisetrasetra,
ka lay zaho te hitroatra , mitady anaovany amboletra.

KIRIAH

Hevitra mandeha

mirananirina (12/11/2010 15:13:52)

mbola hoavy izany ny fahavaratra

kiriah (13/11/2010 16:00:25)

mirananirina: hihihihi ! sao kosa mba lohataona e !

papoosy (07/01/2011 00:32:09)

Mahatsiaro any zany mintsy rehefa aty an tany lavitra mangatsika vela aty sy any dago lay malala