ROVITINAO NY FOKO (KIRIAH )

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teo ampototr'ilay manga efa ringitry ny taona
Teo ny sainy no nimaona.
Tapa-tsihy rovidrovitra , ilafian'ity vatany
Torakovitry ny ady tany anaty taona lasany.

Dia ...
Iny izaho nanohy ny lalako
Saingy niantso ahy hiverin'ilay fo adaladalako
Te hiombona toloko amin'ny fony koa ny foko
Ka io tinazon'ny fijeriny
Hanjohy mangina ny eritreriny

Indreo misoritra eny an'endriny
Sy roritin'ireo teny tobaky ny redirediny
Fa tsy ho ampy intsony angamba
Ny Hery entiny mihoitra sy hitolona amin'ny fiainany
Tsisy iray mba itarainany.
Mitanin'andro eo ny tenany
Manopy maso faraparany ity tany zay onenany
Ary koa mbola hilevenany

Ndreee!...
Rovitinao ny foko
Ô ry nenibe manjoko

16/07/2013

KIRIAH
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/kiriah/rovitinao-ny-foko
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
1553 0
Hevitra mandeha
Tojoavotra ( 23/03/2014 09:03)
Rovitinao ny foko,
O, ry nenibe manjoko... raitra sy manaitra, ilay rindran-teny toa voazaitra, nitantarana ilay takaitra...
nahrindra ( 29/03/2014 20:32)
Eee. Tena tsara sady mahatonga saina hijery ny manodidina, tsy ho variana amin'ny olan'ny tena izay toa tsinotsinona indraindray; eo akaikin'ny fahorian'ny sasany
kiriah ( 17/06/2015 20:35)
Zany mihitsy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : KIRIAH
Nampiditra : kiriah
Daty : 21/09/2013 11:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.3549