You are here: home > Vetso

TADIDIKO TSARA - KIRIAH

Azo vakiana?

Lalaiko ô !
Angaha ho'aho tsy loza
fa omaly alina
teo am-pandriana
tsy nahita tory aho dia lasa ny saiko
nikaroka tsiahy
hay tonga tsy nahy
'Lay tantarantsika nanenjika alika
toa  *olo-mivika

Hahaha !!!!

Tadidiko tsara ,
fa tena tantara
'lay fodiana alina 'ndray andro iny
ary toa tsy mampino
hoe : izaho sy ianao
no nisary adala
Nigàgàn 'ny vahoaka
'lay alika nitsoaka
notorahanao tamin'ny tapa-biriky
dia 'zaho 'lay nikimpy
fa tsy nahatanty nijery an 'izany
Avy eo nitomany

- Mifona malala fa tsy ataoko intsony a !
( hoy ianao gagagaga)
nanantona haingana namihina ahy

- Fa maninona kay ???

norohanao kely aho, nosafosafoana,
Narahina angola
mba hanadinoako ' lay daroka alikan ' ny tsy niala vola .....

Dia tadidiko lahy 'reny zava-niseho
ka tampoka teo
nihomehy irery aho

Tadidiko tsara iny
F'andro sabotsy
Teo Andoharanofotsy
- Lalaiko ô ! , tadidinao koa iny?

KIRIAH