MARARY FO AMIN IZANY EO (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAVY:

Eiiy! marary fo amin izany eo
vady ao antrano aza mankaleo
ikala SAHONDRA no andeha vonjeo
avelako ho hitany havany eo
na hidradradradra sy hanaka-peo
hanafatra alika sy vorondreo
ny kisoa no enjeho ary koa babeo


LAHY:

ianao ngah adala sa tsy ampy saina ?
toa voalavo sasatry ny miaina
ery alatrano minainaina
izaho lehilahy tsy miala maina
efa masaka koa hono zay nataina
voky aho no sady monamonaina
mandehana aza miandry ny andro maraina

NY MANODIDINA:

mangina amin izay f efa mankarenina
ny sofinay avy no toa badenina
efa tantara miverimberina
higagàzan ny eto ANTANINARENINA
rahampitso ihany d ' efa manenina
fiainan alika sa baoridelina ?
JIOLAHIM-BOTO SY MAKORELINA

IZY MIVADY:

rehefa tsy faly mandeha mitory
f aza mitabataba manorisory
fa raha toa tena tsy ampy tory
mamonjeha mpitsabo any Andranovory.
dia SOLOY KOA NY SESIKODORO
fa ny anay ny ADY efa FIALAM-BOLY.

( AZAFADY indrindra ! )
--------
Rohy:
1988 0
Hevitra mandeha
kiriah ( 04/10/2010 20:06)
Ahatsiarovako ny sangisangy tamin ny mbola kely ty kirimarima ity, faly ery amin izany ny miatanisa ilay izy ,de refa avy eo BEDY ny dada sy neny fa mivazavaza mahamenatr olona hono, que des souvenir!!!
pisokelinah ( 06/10/2010 12:56)
tapatsinay za ato e!zany tokoa le fahazazana an!ary le hoe:amina sns!!!!mopera variana manisin-delo sns...bedy ery tamy zany!!!!!!!
kiriah ( 12/10/2010 18:58)
aoka re ry pisokelinah a! NDRY kou otrin ny hanao zay ahalasan embona ny fahazazàna eo!, ary adinon-dry anga ny: ploof , ploof ao ambadimbadika ao misy tomobil vaovao inona no loko tianao ? MITADIAVA NDRY RAHA MAHITA MAHARESY AN' IO, hihihihi!!!
raozigasy ( 22/04/2013 20:49)
plouf plouf lalamby
mihetsika ny andro dia afaka 'ty
ze meme vadin'i son
sofin'alika no atao telefon
mariazy ts'isy krone

afaka !!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148