TAHAK IZAY - KIRIAH
Azo vakiana?
Misy tiana ambara
Rakofana ao anatin'ny finiavana hangiana
Misy koa lazaina
Fa saingy amboarimboarina amin'ny teny izay niniana
Niniana ho sarintsariny
Teny amboarimboariny
Dia lasa tsy voalaza
Na dia niriana aza
Ny hamboraka ny marina
Ka indro fa nivarina
Lay hoe: " aborako eto ny marina rehetra"
Resin'ny fepetra mifehy ny atao hoe:"henatra"
Resin'ny fepetra mifehy ny atao hoe:"hambo"
Mivadik'eny ny andro
Mivadika ny volana
Miangona ho taona
Ka lay fahamarinana ( niriana ho lazaina)
no indro nodikaina
Ary lay voalaza ( zay notefen'ny saina)
No lasa naka toerana
handrakotra ny marina
Aza gaga ianao raha toa ka tsy tafarina
Fa io ny "TAHAKA 'IZAY "
Mandona varavarana
KIRIAH
Hevitra mandeha
mousn (22/06/2013 07:33:20)
Toa sarotra tokoa
Ny hilaza ny ao am-po
Rehefa manoloana
Ny fahasahiana dia dia foana
Tsy izy irery
No tojo tahaka izany
Ka na ianao miteny
Mety ho toy izany ihany
Ny nenina any aoriana
Lalàn'ny fiainana
Ka mitondra fahoriana
Manimba ny fisainana
Nefa,
Nahoana tokoa
Raha aboraka avokoa
Ny rehetra ao am-po
Sao mantsy ho lo
Mombamomba
Mpanoratra : KIRIAH

Nampiditra : kiriah
Daty : 13/06/2013
Mpamangy : 1005
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Sekoly ambonyATSY ANANONA ATSY
MIOMBON' ANTSA
VOASORATRA
HISY AHY
HIRAN' ny KINTANA
SAMBON'ADY
IZAHO sa IZY ?
NGAHY LE MAIRE Ö !!!
2 MINITRA sy 31 SEGAONDRA