You are here: home > Vetso

TARATRA FITIA - KIRIAH

Azo vakiana?

Misisika maraina mandroaka haizin-dratsy
milafika ao anaty
ilay TARATRA FITIA
ka ny zavom-pahasorenana milaza ho tsy hay lembenana
ataony indray mitanika
asesiny an-kobay
afatony ho iray amin ny faharesen ' ny alina
ataony indray mamalona
dia hitambalambalana anaty fara-lavaky ny :
" AOKA AHO HITIA " sy ny " AOKA HO HITAKO ENY " ,
ireny rehetra ireny.

Ny fitiavana hery miafina
mihaika ny mahery
ny fitia mistery tsy voarefin ' ny fijery.

        Indreo POETA maro
        miara-miondrika avokoa
        dia indreo mikaon-doha
        mitady irony lafatra
        hampitàna sy hilazàna
        any am-pon ' izay mitia
        ny hoe : ....fanahy mifangia

ENY!!!  :

        Indreo POETA maro no indray maminany
        ka MITSIKY ny FITIA  sy ny TARA-PAHAZAVANY.

KIRIAH