You are here: home > Vetso

TEBOKA ALALININA - KIRIAH

Azo vakiana?



... Adabodabony eto
isainan'ny rehetra
Ny kilalao an-kiafina iriany ho tarafina
( safoin'ny ankamantatra...)
... Tsy asiana an-kiera
Fa etsy ianao mitoera
Dia mikisaha kely...

Ny masonao mijery: aoka ho an'ny sofina
Ny vavanao miteny: aza avela hofonosina
Amin'ny lambam-panginana
Miraisa FANDINIHANA
Amin'ny Volana zay tsinana
Fa DISO MITONGILANA
Ao anaty JERY VILANA
NY TEBOKA ALILIN'NY
SAINAO zay FIHININY.


KIRIAH
(03/07/2013)